You are here

Nahazo Eveka vaovao ny Diosezin'Ambanja.

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 08/11/2007 - 14:03

Notendren’ny Papa Benoit XVI ho evekan’Ambanja i mompera Rosario Saro VELLA.

Ny 7 novambra lasa teo no nanendren’ny Papa Benoit XVI an' i mompera Rosario Saro VELLA, 55 taona, ho Evekan’Ambanja. Izy izany no eveka saleziana voalohany voatendry any Madagasikara.

Teraka tamin'ny 8 mey 1952 tao Canicatti ( Sicile) izy ary nohamasinina ho pretra ny 12 septambra 1968.

Ny taona 1981 no nahatongavany tao Madagasikara : 1982-1995 no niadidiany ny paroasy tao Ankililaoka ; 1989-1990 lehiben'ny novisià. Niandraikitra ny paroasy tao Betafo ny taona 1995-2004 . Nitondra ny paroasy sy lehiben’ny Fikambanana Saleziana tao Bemaneviky (Ambanja) kosa nanomboka tamin'ny taona 2004 ary mpampianatra ihany koa ao amin’ny Grand Séminaire Paul VI ao Antsiranana.

Izy izany no misolo an’i Mgr Odon Razanakolona izay voatendry ho Arsevekan’Antananarivo tamin’ny taona 2005.

 

Loharanom-baovao