You are here

Festa dei Popoli 2007

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 23/04/2007 - 10:34

Hankalazaina amin’ny 20 mey  2007 eny amin’ny Basilikan’i San Giovanni in Laterano ny andiany faha-16 amin’ny “Festa  dei Popoli”, karakarain’ny Fikambanana “Missionari Scalabriniani, izay handraisan’ireo firenena rehetra manana Fiangonana katolika mitsangana eo anivon’ny diosezin’i Roma,  ka anisan’izany ny paroasintsika malagasy, Victoire Rasoamanarivo. 

  • Hisy ny lamesa lehibe izay tarihin’i Mgr. Mauro Parmeggiani, amin’ny 12 ora antoandro, ka isika malagasy dia manana anjara hira iray mandritra izany.
  • Hisy ny fampisehoana ny tao-zavatra mampiavaka ny firenena tsirairay avy ka hampiseho ny asa-tànana malagasy koa isika.
  • Ao ihany koa ny fampisehoana ny vako-drazana, ka ny Fikambanana Zanak’i Gasikara no hiakatra an-tsehatra hisolo tena antsika malagasy.
  • Hisy fifanakalozan-kevitra samihafa, sakafo karakarain’ireo firenena isan-karazany mpandray anjara, …
  • Ary farany hisy ny Tombolà izay amidy 2 euro, ka ny loka mety ho azo amin’izany dia azonareo jerena amin’ilay endriky ny tapakila etsy ambany. Ramatoa Filohan’ny fiangonana, Ramatoa Paraina Josiane, moa no mitazona sy manaparitaka ny anjarantsika malagasy, ka raha sendra mandalo eny amin’ny masoivohontsika ianareo dia afaka mangataka hihaona aminy vetivety, na miantso azy, raha te-handray anjara amin’ny fividianana io Tombolà io, satria ny lamesa hihaonantsika manaraka dia amin’ny 6 mey izao, kanefa ireo tapakila raha misy tsy lafo dia tsy maintsy averina amin’ny 15 mey. 

 

Entanina daholo isika Malagasy eto Roma sy any ivelany handray anjara amin’izany andro izany, fa sady andro hihaonana hifaliana izy io no hanaovana adidy izay tsy an’olon-dratsy.

Misaotra  betsaka.