You are here

Fanendrena ho any Dakar an’Andriamatoa Paraina Auguste

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 23/04/2007 - 10:46

Araka ny hitan’ny maro ao amin’ny tahirintsary dia nankalaza ny fitsingerenan’ny taona nahaterahany Andriamatoa Paraina, lehiben’ny masoivohontsika, tamin’ny asabotsy 14 avrily lasa teo. Tsy izy irery moa no tompom-pety fa tao koa ny zanany lahimatoa sy i Emma, ary dia fetim-pianakaviana tsotra dia tsotra no nanaovana izany.

Saingy tamin’io fotoana io indrindra no nanararaotiny nampahafantarana ny rehetra tao sy ny vahoakany eto Italie ny fanendrena azy ho lehiben’ny masoivohom-pirenentsika any Dakar, Sénégal, amin’ny volana jolay ho avy izao.

Mbola misy telo volana moa hiarahantsika aminy eto, kanefa dia fisaorana eram-po eran-tsaina sahady no atolotray eto amin’ny “Malagasy eto Italia” ny amin’izay efa-taona niarahany niriaria tamintsika teto izay, fa tena Ray aman-dreny tokoa izy tamintsika, tena niaraka tamin’ny vahoakany, na tamin-kafaliana na tamin’ny fahoriana, nanefa ny adidiny amin’ny fiahiana sy fanotronana hatrany ny Malagasy eo amin’ny toerana nanendrena azy.

Misaotra Monsieur l’Ambassadeur.

Rondro

Jereo koa : Fisaorana an'i S.E. Paraina

Hanoratra ao amin'ny boky volamena: Tsindrio eto  

Traduzione in Italiano : Clicca quì