You are here

Fankalazana ny 29 Marsa 1947 eto Roma.

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 25/03/2008 - 22:56

Ho fahatsiarovana ny andron'ny 29 martsa 1947, dia hisy fanompoam-
pivavahana iraisam-pinoana ny 30 martsa amin'ny 4 ora tolakandro, ao amin'ny Fiangonana protestanta, via IV novembre.

Ho fahatsiarovana ny andron'ny 29 martsa 1947, izay vanim-potoana nanamarika ny fiainam-pirenena noho ny fanenjehana ireo Malagasy nitaky ny fahaleovantena tamin'izany, dia hisy fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana hanasana antsika Malagasy tsy vaky volo eto Roma sy any amin'ny faritany, amin'ny alahady 30 martsa 2008 amin'ny 4 ora tolakandro eny amin'ny fiangonana protestanta, via IV novembre (ambony kelin'ny piazza Venezia).

Manantena ny fahatongavantsika maro amin'izany fiombonam-bavaka izany.