You are here

Hafatra avy amin'ny Paroasy : momba ny fandehanana any Naples.

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 22/01/2008 - 22:03

Toy izao no fandaminana amin’ny fandehanantsika mianakavy any Ercolano Napoli amin’ny sabotsy 26 janoary izao :

FANDEHANANA   ANY   ERCOLANO   NAPOLI   26.01.08 

Toy izao no fandaminana amin’ny fandehanantsika mianakavy any Ercolano Napoli amin’ny sabotsy 26 janoary izao : 

 

Toerana handraisana ny car pullman :

eo anoloan’ny tranon-dry Masera Ospedaliere della Misericordia VIA LEMONIA 227.

Ny fomba hahatongavana any dia : maka Metro A direction Anagnina dia miala fermata Giulio Agricola (20mn eo raha avy eo Termini), dia mivoaka mandeha tongotra manaraka ny viale Giulio Agricola ihany mankeny amin’ilay Fiangonana be san Policarpo ery amin’ny farany ery, dia mivily miankavia manaraka ny via Lemonia. Azo hapetraka ao amin’ny tanànan-dry Masera  ny fiara madinika dia halaina ao indray rehefa tonga ny hariva.

Ora fahatongavana : 7h15 (via Lemonia 227)

Ora fiaingàna : 7h30

 

Mandritra ny dia mandroso dia hisy fotoana hanaovana famerenan-kira fanomanana ny Sorona Masina. Hisy koa fampahafantarana tsotsotra ireo tanàna izay holalovana amin’ny maha-fitsangatsanganana azy.  

10h30 : fahatongavana any Ercolano

11h : fanombohan’ny Sorona Masina hanaovan’i Sr Clarisse ny Fanokanan-tena mandrakizay amin’ny maha-Relijiozy azy.  

Aorian’ny Lamesa (12h30 eo ho eo) dia hisy fiaraha-misakafo sy korana ao amin-dry Masera.  

Ny fandraisana anjara amin’ny saran-dalana mandroso sy miverina dia 13 euro isan’olona maka seza iray. Tsy mitondra sakafo antoandro izany fa efa any an-toerana no karakaraina.  

Kendrena ny hiverenana eto Roma amin’ny 7 ora hariva farafahatarany.  

Koa iangaviana isika mba hifampita izao fandaharam-potoana izao. Ary indrindra samy ho MARI-POTOANA amin’ny fahatongavana sy fiaingana ny maraina. Misaotra mialoha.