You are here

Fanasana avy amin'ny

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 23/11/2007 - 09:20

“Père Pedro : Champion des pauvres”

Zoma 7 desambra amin’ny 7 ora sy sasany hariva Villa Leopardi, via Makallé ( II municipio)

“Père Pedro : Champion des pauvres”

Zoma 7 desambra amin’ny 7 ora sy sasany hariva

Asaina am-pitiavana ianareo hanatrika ny hetsika hataon’ny Fikambanana “Amici di Padre Pedro – onlus” izay hatao ao amin’ny Villa Leopardi, via Makallé ( II municipio), ny zoma 7 desambra.

Tsy misy vidim-pidirana.

Toy izao ny fandaharam-potoana izay hanomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva :

Fampisehoana ny horonantsary “Il campione dei poveri”

Varotra fampisehoana ireo taozavatra sy asa-tànana atao ho asa fanasoavana

Sary sy hira malagasy

Fialana hetaheta.

Ny tanjona amin’izany dia ny hampahafantarana ny Fikambanana, ny hahatsapan’ ny besinimaro ny olana sy fahantrana mianjady any Madagasikara ary hampahalalana bebe kokoa ny adidy makadiry tontosain’i mompera Pedro hanampiana ireo olona an’arivony maro any, hanomezana azy ireo fiainana mendrika ny maha-olombelona.

 

 

Marihina fa hotoloran'ny Masoivoho frantsay any Madagasikara ny mariboninahitra "Chevalier de la Légion d'Honneur" i mompera Pedro araka ity vaovao ity.

 

 

Azonao alaina eto ny fanasana ho amin’io andro io