You are here

“Làlana Apolinaire Andriatsiafajato” ao Port-Louis, nosy Maurice

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 15/03/2007 - 16:13
Nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena maorisiana tamin’ny 12 marsa 2007, izay  natrehan’ny filoham-pirenena malagasy, Marc Ravalomanana, no nitokanana ihany koa  tao Port Louis, renivohitra, làlana iray mitondra ny  anarana Apolinaire Andriatsiafajato, izay lehiben’ny masoivohom-pirenena malagasy voalohany tao amin’ny nosy Maurice.

Marihina moa fa maro amintsika eto Italie ihany koa no mahalala an’ Andriamatoa Apolinaire Andriatsiafajato , izay efa lehiben’ny masoivohontsika teto ihany koa.

Rondro