You are here

Réveillon teto Roma 31-12-2006

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 02/01/2007 - 10:17

Dia tontosa antsakany sy andavany izany ny Réveillon nanaovana veloma ny taona 2006 sy nandraisana ny taona vaovao 2007 teto Roma. Malagasy maro, tsy avy eto Roma ihany fa avy any amin'ny faritra maro eto Italia, no tonga nanatrika izany. Nosokafan'ny Ambassadeur Malagasy eto Italia ny lanonana izay nohafanain'ny Groupe Ray Amandreny tamin'ny mozika mivantana nanomboka tamin'ny 9 ora sy sasany alina. Tamin'ny 5 ora maraina dia voatery najanona satria mbola nodiovina sy nalamina ary naverina tamin'ny toerany indray ny toerana nampiasaina.

Tsy nisy ny vidim-pidirana moa iny fety iny noho ny fandraisan'anjaran'ireo Malagasy izay niaraka nikarakara azy saingy nisy boatin-drakitra izay napetraka ho an'ireo izay mbola te handray ny andraikiny. Ny tsirairay kosa dia nentanina hitondra sakafo sy zava-pisotro ary kojakoja ilaina amin'ny sakafo. 

 Izahay eto amin'ny malagasy.it dia maneho fisaorana antsika Malagasy rehetra izay nikarakara sy nanafàna ny fetin'ny Réveillon 2006 teo iny. Fisaorana no atolotra ny Solontenam-panjakana eto Roma, Atoa Paraina Auguste sy ny mpiara-miasa aminy ombam-pianakaviana avy nanome haja ny fety. Fisaorana koa no atolotra ireo izay nanomana tsy nitandro hasasarana sy vola aman-karena ka nahatotosana ny fety. Ireo mpanohana isan-tsokajiny. Ny mpitendry mozika "Groupe Ray Amandreny" izay tsy nitarain-tana-miepaka sy tsy nahalala andro alina tamin'ny famerenan-kira sy ny fampifalifaliana nandritra ny fety. Ny Malagasy rehetra izay nitondra ny sakafo sy ny zava-pisotro izay nifampizaràna tamin'iny fety iny. Ireo rehetra nandamina sy nanadio taorian'ny fety. Isika rehetra izay nanafàna ny fety na ny avy lavitra na ny avy eto Roma.  Iny fety iny no tontosa sy nahafinaritra dia noho ny fiarahantsika rehetra misalahy.

Ny raki-tsary tamin'iny fety iny dia azontsika jerena etsy amin'ny tahirintsary .

Nitatitra Hery