You are here

Fankalazana ny Noely 2006 eto Roma

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 20/12/2006 - 08:53

Ho fankalazana ny Noely 2006 dia hisy ny antsam-panahy iarahan'ny Kristianina malagasy eto Rome ny Alahady 24 Desambra 2006 amin'ny 3 ora sy sasany.

 

 Ho fankalazana ny Noely dia hisy ny antsam-panahy ataon'ireo Malagasy eto Rome. Koa dia manasa ny rehetra tsy ankanavaka na katolika izany na protestanta, ny Alahady 24 Desambra 2006 amin'ny 3 ora sy sasany izay atao ao amin'ny fiangonana Valdese, Piazza Cavour, N° 32.

Atomboka amin'ny vavaka sy fizarana ny Tenin'Andriamanitra izany dia tohizana amin'ny hira sy dihy izay andraisan'ireo ankizy, sy tanora ary lehibe avy amin'ny fiangonana Protestanta sy Katolika eto Roma. Ao aorian'ny fotoana dia hisy ny fialana hetaheta.

 

Mirary soa ho antsika rehetra.,