You are here

Fisaorana avy amin'ny fianakavian'Itompokolahy Rajaonarivelo.

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 25/11/2008 - 11:55

Mampitondra izao hafatra izao amin'ny alalan'ny Paroasy ny fianankaviana RAJAONARIVELO tao aorian'ny nahalasana an'i Ray malalany RAJAONARIVELO Solofo Andriamanarefy.

Mampitondra izao hafatra izao amin'ny alalan'ny Paroasy ny
fianankaviana RAJAONARIVELO tao aorian'ny nahalasana an'i Ray malalany
RAJAONARIVELO Solofo Andriamanarefy.

Fisaorana mitafotafo no atolotry ny fianakaviana iray manontolo
tamin'ny fahatongavan'ny malagasy maro niandry ny razana ary indrindra
tamin'ny fotoana fandevenana. Hitanay tao daholo ny solontenan'ny
fikambanana rehetra misy teto Roma, tsindrina manokana ny
solontenan'ny Masovoihontsika eto Roma, ny fiangonana Katolika
notarihin'ny Ray amandreny amampanahy Rabenirina ny fiangonana
Protestanta ary ireo olona tsotra malagasy izay naneho ny fomba
amampanao malagasy.

Tsy hitanay izay hamaliana ireny nataonareo ireny fa Andriamanitry ny
fiadanana anie hamaly anareo zato eny ireny fihetsika feno fitiavana
ireny.

Nanohina ny fonay tokoa ny fampisehoana ny fiaraha-mihory amin'ny
fomba malagasy ary izany dia nampiseho tamin'ny fiaraha-monina ny
maha-malagasy ny malagasy aty tany lavitra aty.

Mamerina ny fisaorana indray izahay ary mirary soa ho anareo tsirairay.

Fianakaviana RAJAONARIVELO.
Ardea Tor San Lorenzo.

Io miraikitra amin'ny hafatra io (pièce jointe) ny sarin'ny
tompokolahy sy ramatoa vadiny.

Ankohonana Victoire Rasoamanarivo