You are here

Fisaorana avy amin’ny Fikambanana Tetezana Onlus.

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 04/11/2007 - 08:21

Fisaorana sy fankatelemana no atolotry ny Fikambanana Tetezana onlus ho an’ireo rehetra nanotrona sy nanome tànana ny Fikambanana tamin’ny asabotsy 27 oktobra teo.

Fisaorana sy fankatelemana no atolotry ny Fikambanana Tetezana onlus ho an’ireo rehetra nanotrona sy nanome tànana ny Fikambanana tamin’ny asabotsy 27 oktobra teo, nandritra ny tolakandro nampahafantarana ny Tetezana Onlus tany Scampia, Naples.

Isaorana ireo tapaka sy namana any an-toerana tamin’ny fanatontosana izany na tamin’ny fampifandraisana ny Fikambanana tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo amin’ny boriborintany fahavalo ao Naples sy tamin’ireo Fikambanana isan-karazany miantsoroka adidy ao an-toerana, na tamin’ny fanampiana ara-pitaovana isan-karazany.

Isaorana ireo tompon’andraikitra isan-tokony nandray anjara fitenenana sy nampanantena fiaraha-miasa akaiky.

Isaorana ireo Malagasy mpiray tanindrazana nahafoy fotoana nanotrona, naneho firaisankina sy firaisam-po tamin’ny Fikambanana.

Isaorana manokana koa i Parfait tamin’ny fandavan-tena lehibe nisahanany ny teo amin’ny lafiny fahandroana, nahafahan’ireo tompon-tany nankafy ny nem, sambos, mofo anana sy lasary mampiavaka antsika.

Sitraka sy telina daholo izany ; henin-kaja ny Fikambanana fa tsy nataonareo toa valalan’amboa ka ny tompony indray no tsy tia,

Ny tatitra feno momba izany dia azo jerena ao amin'ny takelaky ny Fikambanana .


Azo jerena eto ny sary

Ato ny horonantsary

(Rondro)