You are here

Famaranana ny taona litorjika sy fanaovam-beloma

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 18/07/2007 - 22:15

Nofaranana tamin’ny alahady 24 jiona teo ny taona litorjika tao amin’ny paroasy Victoire Rasoamanarivo eto Roma, ary nankalazaina ihany koa ny herintaona nitsanganany.

 

Lanonam-pianakaviana toy ny mahazatra no nitondrana izany, natomboka tamin’ny lamesa notarihin’ny aumonier, P. Paul Louis Rafanomezantsoa.

 

Raha efa izany, dia natao ny tatitra momba ny zavatra vita nandritra ny taona, ny teti-bolan’ny fiangonana, ary narahana fanaovana veloma ireo izay hiala eto Roma, na relijiozy na laika, na hiova fonenana na hody an-tanindrazana. Isan’ny natao veloma tamin’izany koa moa Andriamatoa Paraina sy ny fianakaviany.

Ny tolakandro kosa dia nanao antsam-panahy ny Amboaram-peo izay efa mitsangana eo anivon’ny paroasy, ary teo ihany koa ny hira sy dihy manavanana antsika Malagasy rehefa mikorana toy izao.

Dia nifanome fotoana hifankahita soa daholo indray amin’ny alahady 9 septambra, amin’ny 10 ora maraina toy ny mahazatra, eny amin’ny chapelle San Macuto.

Mirary fialan-tsasatra tsara ho an’ny tsirairay, ary veloma mandram-pihaona daholo na ho an’izay mandeha na ho an’izay mijanona.

Rondro