Ny alarobia 25 aprily 2007 amin’ny 6 ora hariva ny “1° Gala della Fisarmonica” karakarain’ny “Autocarrozzeria Saffiro Nando” ao Terni, miaraka amin'ny fikambanana Tetezana onlus.
Takarivam-piraisankina
Amin’ny alarobia 25 aprily 2007, hanomboka amin’ny 6 ora hariva, mandritra ny fankalazana ny “1° Gala della Fisarmonica” karakarain’ny “Autocarrozzeria Saffiro Nando”, ny fikambanana Tetezana onlus dia hampahafantatra ny tetikasany momba ny fanampiana ireo tovovavy miteraka tsy manambady any Madagasikara. Hiendrika fialamboly hanehoana indrindra firaisan-kina ity takariva ity noho izany, ka hanasana antsika rehetra.
Tsy hisy ny vidim-pidirana, fa raisina am-pitiavana kosa ny falalahan-tanan’ireo izay terem-panahy hanampy ara-bola ny tetikasa “MAMME IN – FORMAZIONE” izay kasaina hatomboka any Ambanja amin’ny volana jolay 2007.
Ny toerana dia ao Montecastrilli (Terni)[ fivoahana E 45 amin’ny A1 mampifandray Milan-Naples.]
Ho an’ireo izay tsy handeha amin’ny fiarakodia manokana dia afaka mandray ny fiaran-dalamby mankany Terni.
Ny fanazavana fanampiny dia azo anontaniana amin’ny 32000632873.
Manolotra fisaorana feno mialoha.