You are here

SconfinataMente

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 15/03/2007 - 11:07

Tonga amin’ny andiany faharoa ny Festival SconfinataMente, ka hahitana ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny alalan’ny Fikambanana Tetezana Onlus.

Izany dia hatao ao amin’ny Villaggio Globale, lungotevere Testaccio 1 , amin’ny sabotsy 24 marsa 2007.

Ireo fihetsiketsehana dia hanomboka amin’ny 4 ora hariva ka hofaranana amin’ny 10 ora alina any ho any. Hisy fampisehoana hira sy dihy eny ambony lampihazo, ary koa ireo firenena maro izay hampiseho ny maha-izy azy eo amin’ny lafiny ara-tsakafo ary fampisehoana an-tsary. Ny fandraisan'anjara ny Fikambanana Tetezana Onlus dia ny fampisehoana antsary an'i Madagasikara sy ny fikarakarana ireo sakafo malagasy.

Ny sakafo

Ireo Firenena vaovao eo anivon’i Eoropa...

Pologne

Lazanki z Kapusta (pates aux choucroutes e bolets)

Szynka, ogorki, pasztetowa, kielbasa (fanandramana jambon cuit, concombresi, saucisses fumées miaraka amin’ny mofo)

Ny hanitr’i Asia

Sri Lanka

Riz au curry

Bangladesh

Biriani (riz parfumé avec de la viande)

Ny afon’ Afrika sy Amerika atsimo

Eritrée

Zigni (viande de boeuf avec sauce piquante)

Ethiopie

Wet ( viande aux épices piquantes)

Soudan

Adas (lentilles jaunes avec pomme de terre, tomates et légumes)

Salati aswad (aubergines, pois chiches, sésame e yaourt)

Rob (salade blanche)

Madagascar

Nems sy sambos

Voanjobory sy henakisoa

Hena ritra

Ghana

Banku, flo ke shito (polenta et sauce piquante)

Ecuador Riz special de poisson

 

Ny fandaharam-potoana momba ny hira

Ireo zaza antoko-pihiran’ny Centro Educativo San Gregorio al Celio eo amin’ny fampisehoana an-kira ny “I sogni dei bambini” – hira avy any Kenya, Ghana ary Pologne

Tarika mpihira Akwaba Team tarihin’i Milton Kwamw hampahafantatra ny High Life Mix

Utwory polskie Ape Band, hihira Eva

Ambasciata Folkloristica del Perù hira sy mozika tarihan’Ingahy Rodrigo Giles

Tarika mpihira avy any Soudan Gadeen, hihira Kamal

Vishvarangayatanaya Dihy avy any Sri Lanka tarihin’Ingahy Sujith Illuppitiya

Dihy avy any
Bangladesh Madhobi e Corobi

Dihin-kibo

Tarika mpihira avy any Sénegal Tam Tam Morola, hihira Mustapha Mbengue

Silvana Licursi arahin’i Sergio Saracino amin’ny gitara, hanolotra ny Canti d'Albania sy ireo italianina any Albania

Ny fandraisana anjara dia 10 Euro.

Izay mila fanazavana fanampiny dia afaka manantona na manoratra amin’i :

Geneviève Soaritony: s.genevieve@tetezanaonlus.org Cell: 3200632873

Andry L. Rakotomavo : andry@tetezanaonlus.org Cell:3471432921