You are here

Fanasana ofisialy Reveillon 2006

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 28/12/2006 - 06:36

Fanasana ofisialy avy @ Ambasadeur Paraina Auguste mivady, izay hanasana antsika Malagasy rehetra tsy ankanavaka hiara hifaly sy hikorana amin'ny alin'ny 31 desambra manomboka @ 9 ora alina hatramin'ny 5 ora maraina ao @ Via Boccea, 360. Izany moa dia ...

Anio 27 décembre 2006 dia nohamafisin' Andriamatoa Ambassadeur  Paraina ny fanasana antsika rehetra hanatrika ny Réveillon

Noho izany dia:

Manasa antsika Malagasy rehetra tsy ankanavaka hiara hifaly sy hikorana amin'ny alin'ny 31 desambra manomboka @ 9 ora alina hatramin'ny 5 ora maraina ao @ Via Boccea, 360. Izany moa dia hiarahantsika amin'ireo Ray aman-dReny Andriamatoa Ambassadeur Paraina mivady sy ireo mpiara miasa aminy.

Ampifaliana no hilazana amintsika fa tsy hisy intsony ny vidim-pidirina satria efa betsaka ny nandray anjara tamin'ny fizarana ny hofan'ny trano izay isaorana be dia be indrindra.

Isaorana dieny izao ihany koa ireo namana avy lavitra nahafoy fotoana amam-bolana mihintsy hanomezana fahafinaretana antsika amin'io andro io amin'ny hira sy mozika. 

Koa dia asaina isika rehetra mba hiara hiomana amin'ny fandraisantsika anjara ho fanomanana izany. Noho izany ireto mba misy fandaminana na soso-kevitra azo aroso ka mety hampandrindra azy io.

Ny momba ny sakafo dia manasa antsika rehetra samy hivimbina izay zaka hiharahantsika mihinana sy misotro mandritra izany korana izany toy ny fanao mahazatra izay tsy hita zay maharatsy azy. Isika rehetra zay mipetraka eto Rome dia asaina manokana mba hitondra sakafo betsaka kokoa, zany hoe laoka fotsiny sy tsakitsaky (efa mikarakara ny vary ireo Ray amandReny). Ireo namana avy lavitra kosa (provinces) izay mety tsy afaka mahandro dia mba asaina hitondra zava-pisotro betsaka kokoa.

Ao koa ireo kojakoja tena ilaina toy ny vilia, sotro, verre plastique... koa dia mba samy mitondra betsaka ( zay ambiny eo afaka entina mody).

Asaina manokana izay afaka hanome tanana amin'ny fikarakarana ny salle mba ho tonga aloha any antoerana @ 7ora sy sasany any. Toy izany koa ny maraina dia mba hiangaviana isika hifanome tanana @ fandaminana.

Fetintsika Malagasy rehetra io ka aoka mba samy handray anjara mavitrika daholo ary mba tsy hifampiandriandry fa hiara misalahy, na amin'ny dihy na amin'ny asa.

Koa dia manantena ny fahatongavantsika rehetra.

Vaovao voaray avy amin'ireo solon-tena maro be izay tonga nivory tany @ Ambassade

Rome 27/12/2006