You are here

Mompera Pedro teny amin'ny Vatican sy nandritra ny resadresaka nifanaovana taminy.

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 11/12/2008 - 22:45

 

Nandritra ny lanonana nokarakarain'ny Filan-kevitra vatikana momba ny Rariny sy Fandriampahalemana ny 12 desambra 2008 teo no nanolorana an'i Mompera Pedro ny Mari-pankasitrahana "Cardinal Van Thuan" noho ny herimpony amin'ny fanampiana ireo niangaran'ny vintana ka karakarainy ao amin'ny Akamasoa. Nanatrika izany lanonana izany rahateo ny Papa Benoa ka niarahaba ireo rehetra nahazo izany maripankasitrahana izany.

Ny ampitso dia nisy valandresaka nifanaovana taminy izay nokarakarain'ny Fikambanana "Amici di Padre Pedro" eto Roma.