You are here

Nandao an'i Italia ny Ambasadaoro Paraina

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 18/07/2007 - 22:11

Nanainga androany 16 jiona 2007 tamin’ny mitataovovonana tetsy amin’ny seranam-piaramanidina tetsy Fiumicino hamonjy an’i Dakar, renivohitr'i Sénégal Andriamatoa Paraina Auguste sy ny vady aman-janany.

Ankoatra ireo mpiara-miasa aminy akaiky, dia tonga nanotrona ny fiaingany koa ireo Lehiben’ny Masoivoho avy any Cameroun, Mali, Cap-Vert, Sénégal, Zimbabwe.

Hafatrafatra mbola nantitranterin’izy mivady ho antsika rehetra moa, na tamin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena izany, raha nanapaka ny mofomamy izy ireo, na omaly raha natolotra azy ireo ho fahatsiarovana ireo rakitry ny Boky Volamena , na androany talohan’izao hiaingan’izy ireo izao dia ny mba hitandroantsika ny fifankatiavana sy fihavanana izay efa nimasoan’izy ireo teto, ka ataovy toa ny voankazo an’ala hoy izy ireo, ny tsara vita raiso, fa ny ratsy kosa ario, fa olombelona ihany izy ireo ka mety tsy nahafa-po ny besinimaro daholo akory ny vitany.

Omaly alahady tokoa moa dia natolotray mpiandraikitra ity toerana ity ny raki-pahatsiarovana ireo hafatra napetraky ny sasantsasany amintsika tao anatin’ilay Boky Volamena nosokafanay ho azy ireo teto : nataonay miendrika boky kely izy io, izay sady mitahiry ireo sary sasantsasany nanamarika ny fiarahamonintsika tamin’izy mianakavy teto nandritra izay efa-taona izay. Isaoranay ihany koa izay nandray anjara tamin’izany, ary hampahafantarina ireo izay mbola tsy nahita fa misy fisaorana avy amin’izy mianakavy ho an’ny rehetra nanoratra ao amin’ny faran’io Boky Volamena io,

Ireo sary nalaina omaly sy androany kosa dia azontsika jerena eto .

Misaotra tompoko.

Rondro