You are here

Tatitry ny fifampiarahabana tratry ny taona 2007

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 30/01/2007 - 11:49

Natao omaly 28 janoary 2007 teny amin’ny maseran’ny Cénacle ny fifampiarahabana tratry ny taona vaovao ho an’ny Malagasy eto Italia.

Na somary vitsy aza ny tonga noho ny fifanojoan’ny fotoana tamin’ny famerana ny fifamoivoizana teto Roma mba hanatsarana ny rivotra iainana, dia nahafinaritra ny fiarahana izay natomboka tamin’ny fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana.

Taorian’izay dia nandray fitenenana ny Lehiben’ny Masoivohom-pirenena, Andriamatoa Paraina Auguste, niarahaba ny Malagasy manontolo eto Italia tamin’ny anaran’ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy ary koa tamin’ny anaran’ny Filoham-pirenena. Nararaotiny noresahana tamin’izany ny fiainam-pirenentsika sy ny tetik’asan’ny Filoha amin’izao dimy taona manaraka hitondrany ny firenena izao, ilay antsoina hoe MAP. Tetik’asa izay hanantenana ihany koa ny fandraisantsika Malagasy aty ivelany anjara toy ny famporisihina ireo namana, havana ary olom-pantatra na vahiny na tompon-tany, hampihodina sy hampiasa vola (investir) any amintsika hampandrosoana ny toe-karentsika. Mbola hisy fanazavana fanampiny momba izany moa hampitaina amintsika eto amin’ity toerana ity atsy ho atsy.

Nandimby azy nanolotra ny firariantsoa avy amin’ny Biraon’ny Paroasy Victoire Rasoamanarivo eto Rome i Frera Vincent, filohalefitra, ary nampahafantatra ihany koa ny fijoroan’ny Antokom-pihiran’ny fiangonana ka hanasana am-pitiavana ny rehetra hanatevin-daharana izany .

Ramatoa Paraina, filoha, kosa, dia nanantitra izay rehetra voalaza teo aloha ary nanokatra ny fiaraha-misakafo izay notohizana tamin’ny hira sy dihy izay, satria ny afindrafindrao tsy azo avela.

Tamin’izany ihany koa no nanambaran’Andriamatoa Danny fa hisy koa ny fankalazantsika ny tsingerin-taonan’ny 29 marsa , ka hampahafantarina antsika ihany ny mombamomba io amin’ny fotoana manaraka.

Tsiahivina ihany fa isaka ny alahady faharoa sy fahaefatry ny volana ny lamesa ao amin’ny Paroasy Victoire Rasoamanarivo eto Rome.

Dia misaotra antsika rehetra nahandro nahamasaka sy nanafana iny andro omaly iny, fa dia”SOA tokoa NY FIARAHANTSIKA”.

Nanoratra: Rondro