You are here

Hetsika 'Leo' fiombonana amin'ny tanora Gen-Z any Madagasikara - Roma.

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 29/09/2025 - 23:31

 

Tsy nisy fotoana lava nanomana ny hetsika kanefa toy ny zanak'i Madagasikara am-pielezana maro maneran-tany dia naneho firaisankina sy fanohanana ny hetsika sy tolona natomboky ny tanora "Génération Z Madagascar" any an-tanindrazana ihany koa ireo namana vitsivitsy tratr'antso teto Roma sy ny faritany. Teo amin'ny Colosseo no nifamotoanana tamin'ny sabotsy 27 septambra tolakandro teo.
Hetsika tsotra sy nangingina, tsy nisy fandraisam-pitenena ofisialy satria mbola tsy nahazoana alalana tamin'ny tompon'andraikitra.

Mbola nothohizana izany ny sabotsy 4 oktobra teo amin'ny zaridainan'ny Villa Borghese satria tsy hay ny tsy hanohana ireo Malagasy miatrika ny basy sy ny entona mandatsa-dranomaso tsy navela haneho hevitra any an-tanindrazana, indrindra ao Antananarivo.

Ny sabotsy 11 oktobra kosa no fotoana nomen'ny Questura antsika, fahazoan-dalana hanaovana ny fihetsiketsehana teny Piazza Mazzini.

Tsy asiantsika teny betsaka fa efa voambaran'ireo sora-baventy naseho tao ny hetahetan'ny tsirairay.