You are here

Vaovao

Ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina Malagasy eto Roma dia manasa antsika hiaraka hiombom-bavaka amin'ny alahady 24 Martsa ho avy izao ho fahatsiarovana ny zava-nitranga tamin'ny 29 martsa 1947, hanomboka amin'ny 3 ora tolakandro ka hatramin'ny 5 ora sy sasany hariva ao amin'ny eglizin' i San... tohiny
Indro ampitaina amintsika ny fanasana ho anareo any Milano sy ny manodidina ny amin'ny fankalazana ny faha-63 taona nahazoana ny Fahaleovantena, izay hatao ny 24 jona 2023 manomboka amin'ny 7 ora sy sasany hariva (ore 19.30) ka hatramin'ny 2 ora maraina (ore 2.00) ao amin'ny viale delle Industrie... tohiny
Hoy ny Tompo maniraka : " Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra. " (Marka 16:15) Araka izany dia manasa anareo izahay Antoko mpihira ato amin'ny Fiangonana Protestanta Malagasy eto Roma ho tonga amin'ny Fitoriana an-kira izay ataonay ny... tohiny
Am-pitiavana be no hanasan'ny Fikambanana "Fraternità Malgascia" antsika rehetra hiaraka hanao veloma ny taona 2022 sy handray am-pifaliana ny taona vaovao 2023 miaraka amin'i Elodie, sy Anderson Jaojoby ary Charline Mboty izay efa samy tao amin'ny tarika Jaojoby. eny amin'ny via Attiglio Begnini,... tohiny
Sambany tokoa isika eto Italie vao nandray anjara tamin'itony Fifidianana izay Ampelasoa zanak'i Madagasikara atý am-pielezana itony, hetsika izay karakarain'ny " Association Dera France ". Tamin'ny asabotsy 17 septambra teo no nanatontosana izany, ary narahana fampisehoana nataon'io Big MJ... tohiny
Ny sary vitsivitsy ho fahatsiarovana dia efa nalahatra ATO *********************** Ny zanaka aman-jafiny sy ny fianakaviana manontolo dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno tamin’ireo fanehoam-pitiavana sy fiaraha-miory nasehonareo havana, tapaka sy namana, mpianakavin’ny finoana sy ireo... tohiny
Manjombona vao miandoha taona indray ny lanitrantsika eto Roma fa namoy an'i neny Juliette, renin'i Lova sy Andry, isika omaly talata 25 janoary tolakandro. Maro no mahalala azy satria reny teo anivon'ny diaspora foana izy nandritra izay fotoana rehetra izay, reny tao amin'ny Fiangonana Protestanta... tohiny
Tsy hay ny tsy haneho fisaorana feno fankatelemana antsika rehetra vory lanona omaly 12 desambra 2021 tao amin'ny efitrano malalaky ny masoivohontsika eto Roma, niara-nisaotra an’i zoky Suzelin Ratohiarijaona mivady tamin’izay rehetra vitany ho antsika zanak’i Madagasikara am-pielezana atý Italia... tohiny
Taorian’ny fifanintsanana voalohany sy faharoa natao tamin’ny telo volana lasa, dia tafita tamin’ny lalao famaranana ny Campionato Regionale Estivo - Esordiente B Maschio - eo amin’ny taranja Lomano, i Tsiorintsoa Lorenzo RATSIMANANDA , 11 taona, teraka teto Roma. Tamin’ny 29 jona lasa teo, teny... tohiny
Dia mba ampitampitampitao ho an'ny besinimaro azafady.tohiny
Manentana antsika Malagasy aty Italia ny masoivohon'i Madagasikara eto Roma mba handraisantsika anjara feno amin'ilay Fihaonamben'ny Malagasy aty am-pielezana, andiany faharoa, izay hatao amin'ny volana aogositra 2020 ao Antananarivo. Ampitao ny hafatra ho an'izay tsy mahita ity.tohiny
Ny Masoivohon’i Madagasikara eto Italia dia mampita amin’ny teratany malagasy rehetra monina eto Italia fa manomboka ny FANAVAOZANA PASIPAORO ANDIANY VOALOHANY ho an’ireo pasipaoro NOMENA TAORIAN’NY TAONA 2014 Ireto avy ireo antotan-taratasy ilaina amin’izany ary afaka aterina mivantana eto amin’ny... tohiny
Amin'ny fo feno alahelo no ampandrenesana antsika fa lasa namonjy iny habakabaka iny omaly alahady 29 desambra 2019 ny namantsika Amédé RAKOTOARISON. Hisy fotoam-bavaka hatao ho fialan-tsasatry ny fanahiny ny alarobia 1 janoary 2020 amin'ny 3 ora tolakandro ao amin'ny foiben'ny masoivoho, via... tohiny
​Laroim-bahona indray ny fiarahamonintsika zanaka am-pielezana atý Italia fa nandao antsika tampoka tamin'ny alahady 25 aogositra teo i dada Manoelina RATSIMANANDA , rain'i Rado sy Hery ary Mahefa . Ny fianakaviana eto Roma dia manolotra fisaorana anareo rehetra niantso sy tonga nidodododo niombona... tohiny
Manolotra avy hatrany ny fialan-tsiny tanteraka amin'ireo tsy tratr'antso tamin'ity korana kely ity izay natao hisaorana ny Zoky Raiamandrenintsika, andriamatoa Dama Rakotondrasedo mivady, satria amin'ny naha "surprise" azy dia tsy afaka natao resaka imasom-bahoaka ilay izy tao amin'ny facebook... tohiny
Feno 15 taona tamin'ny volana mey ny nanosorona ho mpisoron'ny Avo an'i mompera Alain Velomaroson ka ny alahady 16 jiona teo, tao amin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma, no nisafidianany hankalazana izany niaraka tamin'ireo namana sy tapaka sy ireo relijiozy rahalahiny sy anabaviny ao... tohiny
Ny sabotsy 29 jiona 2019 manomboka amin'ny 5 ora hariva no hanasana antsika rehetra amin'ny fankalazana ny fetim-pirenena ao amin'ny foiben'ny masoivoho, via Riccardo Zandonai 84 , Roma.tohiny
Hanamarihana ny fahafolo taona nijoroan'ny Fikambanana "Malagasy Miray" sy ny faha-59 taona nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantena no hanatontosana ny "Giornata del Madagascar" fanao isan-taona any Torino ka hanasana antsika rehetra ny sabotsy 29 jiona 2019.tohiny
Fenofeno ihany moa ny fandaharam-potoanan’Andriamatoa ministry ny Raharahambahiny, Naina Andriantsitohaina, satria ankoatran’ny fandinihana ny hanamafisana ny Fiaraha-miasan’i Italia sy Madagasikara izay isan'ny tena anton-diany, dia ao koa ireo fivoriana hoatrehany toy ny ao amin’ny IFAD/FIDA (... tohiny
Tonga ity ilay andro lehibe izay nandrasantsika dia ny fankalazana ny fetim-pirenentsika malagasy izay ho atao ao amin'ny Via delle Industrie, 17 - Settala (MI). Ho atolotray tsy ho ela ny fandaharampotoanan`io andro io. Aza misalasala ary ianareo satria misy fetrany ny tapakila ary mifarana amin'... tohiny

Takelaka