Tu sei qui

Fisaorana avy amin'ny Fédération Sport Boules Malagasy

Inviato da Rondro il Dom, 28/09/2025 - 16:56

 

Tamin'ny alalan'ny pejy facebook-n'ny Federasiona Taranja Tsipy Kanetibe no nampitan'izy ireo ny fisaorana antsika zanak'i Madagasikara atý am-pielezana (Italia, France, Monaco, Deutschland) tamin'ny nanohanantsika sy nankaherezantsika azy ireo tamin'iny World Championship Petanque natao teto Roma tamin'ny 18 ka hatramin'ny 21 septambra lasa teo iny.

Ry namana diaspora malagasy ao Italie, Allemagne, France,

Amin’ny anaran’ny Fédération Malagasy Sport Boules - FSBM sy ny delegasiona malagasy manontolo niatrika ny fifaninanana izay ho tompondaka eran-tany ny taranja tsipy kanetibe 2025 tao Rome Italie, dia maneho fankasitrahana sy fisaorana feno fitiavana ho anareo izahay, noho ny fanohanana tsy nisy toy izany nataonareo nandritra ny fifaninanana maneran-tany tao Rome Italie izay naharitra efatra andro.

Nandritra ireo efatra andro feno fifaninanana sy fientanentanana ireo, dia teo foana ianareo naneho fanohanana, naneho hafaliana, ary nampahery ny atleta tsirairay avy. Ny fanohanana sy ny hafanam-ponareo dia niteraka herim-po sy faharisihana ho anay rehetra.

Mankasitraka izahay tamin’ny hatsaram-panahy nasehonareo tamin'ireo fanomezana, ireo sakafo nomaninareo, ireo fitiavana, ireo fahavononana hanohana anay.

Saingy mihoatra lavitra noho izany rehetra izany, ny fitiavan-tanindrazana, ny firaisam-po nentinareo no tena nanohina anay. Tsy hita pesipesenina ny soatoavina nentinareo sy ny fanampiana natolotrareo.

Misaotra tamin’ny fandraisana sy fanomezan-tànana. Misaotra tamin’ny fanoloran-tena sy ny fitiavana. Ianareo no fianakaviana sy hery nanohana anay.

Tsy ho adinoinay mihitsy ity fifaninanana ity, tsy noho ny vokatra azo ihany, fa indrindra noho ianareo sy ny hafanam-ponareo.

Misaotra indrindra tamin’ny fiarahana.

Ankitsim-po sy ankafanam-po lehibe indrindra no isaoranay anareo rehetra.

Ny delegasiona FSBM

 

Chère diaspora Malagasy d'Italie, d'Allemagne, de France,

Au nom de la Fédération Sport Boules Malagasy - FSBM et de toute la délégation malagasy pour le championnat du monde de pétanque 2025 à Rome Italie, nous tenons à vous adresser nos remerciements les plus sincères et les plus chaleureux pour le soutien exceptionnel que vous nous avez témoigné tout au long de ce championnat du monde de pétanque 2025.

Pendant les quatre jours intenses de compétition, vous avez été présents à nos côtés, du premier au dernier moment. Vos encouragements constants, votre énergie communicative, vos sourires et vos chants ont résonné dans les gradins et dans nos cœurs. Vous avez porté nos athlètes, moralement et humainement, et cela a fait toute la différence.

Nous avons été touchés au plus profond par votre générosité. Les cadeaux offerts, les repas partagés, les collations préparées avec soin, et tous ces gestes simples mais si pleins d’amour nous ont rappelé que, même loin de la terre natale, l’esprit de solidarité, d’amitié et de fraternité reste plus vivant que jamais.

Au-delà du soutien matériel, c’est surtout l’amour de la patrie, la chaleur humaine, et le sens du service que vous avez manifestés qui nous ont le plus marqués. Votre présence à nos côtés a été un véritable pilier. Ce que vous avez accompli pour nous, en toute discrétion mais avec tant de cœur, est inestimable.

Merci pour votre accueil, votre engagement et pour avoir représenté si fièrement nos valeurs communes. Vous avez été une famille pour nous, une force invisible mais bien réelle. Grâce à vous, cette compétition restera gravée dans nos mémoires non seulement pour ses résultats, mais surtout pour l’amour et la solidarité que nous y avons trouvés.

Avec toute notre gratitude et notre profonde reconnaissance,

La délégation FSBM