You are here

Takariva Fifanampiana (Serata Solidale)

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 22/11/2013 - 09:48

Ny Associazione Tetezana Onlus dia faly manasa antsika rehetra amin'ny Takariva Fifanampiana (Serata Solidale) izay karakarain'izy ireo amin'ny asabotsy 23 novambra 2013 manomboka amin'ny 7 ora hariva.

Ny toerana dia ao amin'ny Via Manzoni 5, Roma.

Izany takariva izany dia hohafanain'ny tarika KA.ME.MA (Kanto sy Mevan'i Madagasikara)

Ny fandraisan'anjara ho an'ny ankizy (5-10 taona) dia 5 Euros.

Ny fanohanana ho an'ny lehibe kosa dia 15 Euros ary ny fanampiana mihoatra dia tsy ferana.

Ny vola ho azo amin'izany dia hoentin'ny Associazione Tetezana Onlus miatrika indray ny enimbolana faharoan'ny taom-pianarana ho an'ireo ankizy sahaniny any Madagasikara.

Maneho fisaorana mitafotafo ho antsika Malagasy eto Roma amin'ny tolotra izay ataontsika 

Ireo izay tsy afaka tonga nefa te hanampy ny Tetezana dia afaka mandrotsaka ny fanampiany amin'ny Kaontin'ny Associazione Tetezana Onlus

- "Tetezana onlus"

- bollettino di c/c postale n. 76916196

- bonifico su c/c postale IT53 T076 0103 2000 0007 6916 196

- Causale: Serata Solidale Novembre 2013

http://tetezanaonlus.org/

Fanazavana fanampiny

Hery Tel: 338 744 2412

Andry Tel: 3471432921

Claudia Tel: 3382890576