You are here

Raozery miaraka amin'i Afrika ho an'i Afrika

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 11/10/2009 - 11:12

 

Natao tao amin'ny Vatican ny sabotsy 10 oktobra 2009 ny Raozery ho an'i Afrika niarahan'ny Ray Masina nanolotra tamin'ireo mpianatra isam-pirenena eny amin'ny anjerimanontolo eto Italia.

Noho ny fizarazarana betsaka tamin'ny adidy - ny antoko mpihira, ny delegasiona nanotrona ny lakroa, ny delegasiona niaraka tamin'ny manam-pahefana, ny delegasiona nanotrona ny fanevam-pirenena, ary ireo mpanatrika marobe tsy tafaraka toerana iray -  dia tsy azo sary daholo ny rehetra tonga marobe nanotrona ity fotoana ity, ka raha misy manana sary azo ampitaina aty aminay dia azo raisina an-tanan-droa ary isaorana betsaka (contact@malagasy.it).

Ny Sinaoda manokan'ny Eveka momba an'i Afrika moa dia nanomboka ny 4 oktobra ary nofaranana tamin'ny Sorona Masina lehibe notarihin'ny Papa Benoa tao amin'ny Bazilikan'i Md Piera ny alahady 25 oktobra.