You are here

Fety fitsenana ny taona - Réveillon 2013-2014

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 01/01/2014 - 06:10

 

Vita soa amantsara ny lanonana fitsenana ny taona 2014 natao tao amin'ny masoivohon'i Madagasikara. Nanehoana indrindra ny firaisan-kina sy fiombonan'ny Malagasy na dia saratsarahan'ny hevitra tsy mitovy sy ny fahasahiranana isan-karazany aza.

Isaorana indrindra ry zareo ao amin'ny masoivoho izay sady nanome ny trano hahafahan'ny Malagasy rehetra milanonana no tonga ihany koa nanome voninahitra. Isaorana avokoa ny Malagasy tsirairay izay nanamasaka tamin'ny fomba maro samihafa iny fety iny. Naverimberina hatrany nandritra iny alina iny hoe fetim-pianakaviana ny fety ka samy tompony isika ka rariny raha mifampisaotra satria samy tompon'andraikitra.

Dia ho fifaliana sy fiadanana hameno ny tokantrano tsirairay.