You are here

Nodimandry i mama Clémentine renin'i Veve mianadahy avy

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 01/02/2013 - 06:57

Amin’ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesana anareo fa 

ramatoa RAVELOMANANTSOA Jeanne Marguerite Clémentine,
teraka RAHARISOARIVELO RANAIVOSON
dia nantsoin'ny Ray hody any Aminy anio 1 febroary 2013 teto Roma.
Hoy
  • ny vadiny : RAVELOMANANTSOA Edmond.
  • ny zanany : Edmée, Jean Hervé sy Voahangy sy  ny zanany, Rick Dieudonné sy Mireille sy ny zanany, Josette sy  Brice, Holy sy Mamy sy  ny zanany.
Ny fiondrehana eo amin'ny razana dia ny asabotsy 2 febroary 2013 tolakandro, manomboka amin'ny 12 ora antoandro ka hatramin'ny 5 ora hariva (12h - 17h), ary ny alahady 3 febroary 2013 manomboka amin'ny 9 ora  maraina ka hatramin'ny 12 ora antoandro (9h - 12h). Ny toerana dia ny obitorio Ospedale Sandro Pertini, via dei Monti Tiburtini 385.
Ny fanaovam-beloma azy farany dia hatao ny alatsinainy 4 febroary 2013 eny amin'ny PARROCCHIA SAN FULGENZIO, Via della Balduina 296, amin'ny 11 ora maraina.
Misaotra amin'ny vavaka ataonareo ho an'ny fialantsasatry ny fanahiny sy ho fiononana ho an'ny fianakaviana manontolo.