You are here

Fananganana Olomasina an'i Jacques Berthieu - lamesa sabotsy hariva

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 21/10/2012 - 19:19

Betsaka ny adidy natrehana ny sabotsy 20 oktobra 2012 tontoloandro :

Vao maraina dia teny amin'ny "Sagrato"-n'ny Bazilikan'i Md Piera ireo solontenan'i Madagasikara nianatra nandrindra niaraka tamin'ireo firenena hafa momba ny adidy sy andraikitr'izy ireo avy ny alahady.

Vita izay dia nandeha nanomana ny sakafo natolotra ny rehetra ny alahady taorian'ny fananganana ho Olomasina teny amin'ny Kianjan'i Md Piera.

Nilamina izany rehetra izany vao nihazakazaka namonjy ny lamesa tao amin'ny bazilikan'i Sant'Ignazio teto Roma.