You are here

Evekan'Ambositra voatendry

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 25/06/2005 - 08:56

Voatendry ny 24 jiona lasa teo ho Evekan'ny diosezin'Ambosittra i Mompera Fidelis Rakotonaivo izay Ekonoma tao amin'ny Semineran'ny Fianarantsoa

I Mompera Fidelis Rakotonaivo dia teraka ny 28 aogositra 1956 tao Ambohimahazo Ambositra. Niditra tao amin'ny Petit Seminaire Kianjasoa. Nanao filozofia tany amin'ny Repoblika Demokratikan'i Congo (Zaire taloha) ary nanohy Teolojia tao Nairobi sy Spiritualité tany Canada. Nohamasinina mompera izy ny 15 aogositra 1992.
Taorian'izay dia nanao asa maro teo anivon'ny Fiangonana anisan'izany ny naha ray ampanahy azy tao amin'ny Collège St Francois Xavier tao Fianarantsoa (1992-1995); Ray ampanahy sy mpitantambola tao amin'ny Semineran'i Vohitsoa (1995-1998); Lehiben'ny Communauté tao Fianaratsoa (1998-2001). Ary hatramin'io ka hatramin'izao dia lehiben'ny Communauté tao Ambositra izy.

Ny diosezin'Ambositra dia somary kely velarana ihany (24.000 km2) misy mponina 695.651, kanefa anisan'ny be katolika indrindra (334,786 izany hoe maherin'ny 40%). Misy foibe pastoraly 20, 18 ny paroasy, zana-piangonana 490, pretra 71 (41 diocezianina ary 30 relijiozy), misy frera 42 , sy masera 104, ary manana seminarista 14.

Inoana fa hitondra hery vaovao ho an'ity diosezy anisan'ny tanora indrindra ity izao fahazoany mpiandry vaovao izao.

Rehefa mahazo sary ny malagasy.it dia hapetrakay ato ny sariny.

(Hery)