You are here

Ny permis de séjour sy ny vakansy

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 18/07/2005 - 15:40

Araka ny filazana nomen'ny lehiben'ny polisy manerana an'i Italia tamin'ny taratasy telegrama izay nalefany ho an'ny mpiandraikitra ny Questura rehetra (taratasy laharana NR.400/C/2005/825/P/12.214.3.2/II DIV/IV) dia azo atao ny mivezivezy (miditra sy mivoaka) ao Italia ho an'ireo mpivahiny mbola eo am-piandrasana ny permesso di soggiorno. Misy fepetra vitsivitsy anefa momba izany.
- Mila manana ilay taratasy kely misy sary filazana hoe efa nametraka fangatahana permesso di soggiorno
- Mila manana taratasy fanamarinana ara-dalàna toy ny pasipaoro na hafa izay mifanaraka amin'ilay taratasy kely fangatahana permesso di soggiorno.
- Mila tombohana hajia eny amin'ny frontière miaraka amin'ny pasipaoro ilay taratasy kely fangatahana permesso di soggiorno.
- Tsy mandalo amina firenena Schengen hafa.

Izany dia midika fa afaka mody any Madagasikara izay te hanao vakansy na dia mbola tsy mivaly aza ny fangatahana permesso di soggiorno saingy tsy afaka mandalo amin'ny firenena hafa ao Eoropa.

Io fepetra io dia manan-kery manomboka ny 15 jolay 2005 - 30 sept 2005.

Azontsika jerena eto ambany ny taratasy nalefan'ny Ministera mikarakara izany.

[url=media/circ-interno-12-7-05-ferie.pdf]Jereo eto[/url]