You are here

Film Madagascar : Eto Italia ny 2 septambra

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 25/06/2005 - 15:43

Amin'ny 2 septambra vao hivoaka eto Italia ilay sary nahetsika "Madagascar" izay efa mivoaka amin'ny salles isankarazany any Etazonia sy Frantsa.

Fantatra fa i Michelle Hunziker, Fabio De Luigi sy Ale&Franz no hampindrana ny feony amin'ity sarimihetsika ity amin'ny teny Italiana. Tonga eto Italia mihitsy ny mpikarakara an'io horonantsary io mba hiaraka manatontosa ny dikateny italiana. Marihana fa traikefa voalohany daholo ny azy efatra mianadahy ireo amin'ny fampindramana feo.
Dia miandry indray izany isika... fa na izany aza dia elaela ihany ilay izy.

Raha hiresaka momba an'ity takelaka ity dia azonao atao ny mijery eto ambany

[url=http://serasera.org/forum/index.php?rub=message&msgid=m42536f73d130f]Film Madagascar[/url]
[url=http://serasera.org/forum/index.php?rub=message&msgid=m42b8ffdf47c18]Tokony handoa droits d'auteurs?[/url]