You are here

Fetim-pirenena ao Milan.

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 31/05/2013 - 01:29
Miarahaba anareo rehetra indray!

Amin-kafaliana lehibe no anasana anareo havana aman-tsakaiza rehetra mba ho tonga hiaraka hilanona amin'i Fikambanana "Gasy Tsy Manavaka - G.T.M." ao Milan amin'ny Asabotsy 29 Jiona 2013, andro hankalazana ny Fetim-pirenena Malagasy.
Arakin'ny voasoratra ao amin'ny fampandrenesana etsy ambany dia hanetriketrika tokoa ny KORANA ka tongava maro!
Toy ny efa fantatry ny besinimaro ihany koa dia anisan'ny tanjon'ny G.T.M. ny fampahafantarana sy ny fireharehana amin'ny MAHA-MALAGASY ka ho tohizana ny fampisehoana ny fitafy Malagasy izay nampiana tao-volo ka iangaviana ny vehivavy Malagasy rehetra tsy an-kanavaka izay te-handray anjara mba hiomana ary afaka miantso ny finday: 338 83 82 871 (Louise) na339 88 20 892 (Andry).
  
Misaotra anareo rehetra!

Ireo Mpitantana

FETY 29 JUIN gasy

 

 

960181_10200516133337110_763978549_n (1)