You are here

Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fankalazana ny 26 jiona

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 16/06/2012 - 23:15

 

Ny KOMITIN'NY FFKM eto Roma dia faly mampandre sy miantso ny Malagasy rehetra, fa hotanterahina amin'ny Alahady faha 24 Jiona 2012 ho avy izao, amin'ny 11 ora sy sasany maraina ny FANOMPOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA sy ho FISAORANA sy FANOMEZAM-BONINAHITRA AN'ANDRIAMANITRA ary ho FANGATAHAM-PITAHIANA ho an'ny Tanindrazana, ho enti-mankalaza ny "FETIN'NY 26 JIONA".
Ny toerana dia ao amin'ny Via del Seminario n. 120 - (Collegio San Roberto Bellarmino) 00186 Roma. 
           
Dia manantena ny fahatongavantsika maro tompoko! Ary araka ny fanaon-tsika dia aza adino ny mivimbina tsakitsaky sy zava-pisotro  hiaraha-miala hetaheta.
 
            
                                                       Ny komitin'ny FFKM eto Roma