You are here

Fanampiana avy amin'ny Skoto any Arezzo

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 02/07/2005 - 08:21

[img=100:left]http://malagasy.it/photos/sscoutmadagascar.jpg[/img]Mikarakara hetsika hanangonana vola hanampiana ny tanora sy ny ankizy ao Nosy Be Hell-Ville ny skoto ao amin'ny faritr'i Arezzo Italia.

Amin'ny 8 jolay izao no hanaovana ny fiaraha-misakafo fitadiavam-bola karakarain'ny Fikambanana Skoto italianina amin'ny faritr'i Arezzo. Ny tanjona dia hanangonana vola hanampiana amin'ny fanamboarana “Foyer Scout”, ho an'ny tanora sy ny ankizy ao Nosy Be Hell-Ville.
Ny vola azo, ankoatran'ny fanamboarana ny trano dia hividianana fitaovana vitsivitsy fampiasan'ny skoto ihany koa hatramin'ny boky sy kahie.
Trano fihaonana sy filalaovana kanefa koa ho trano ahafahana mandray vahiny. Natao matanjaka kokoa noho izany ny trano. Ny atsasany simenitra ary ny atsasany ravinala.

Natolotry ny mpanolotsain'ny Comune Loca Salvadori sy Marcel Rasamy izay mpiandraikitra ny lasintskoto Arezzo moa izany tetikasa izany. "Tetikasa iray ahafahana manampy mivantana ireo tanora sy ankizy ao amin'ny faritr'i Nosy Be izao tetikasan'ny skoto Arezzo izao, hoy izy, mba ahafahan'izy ireo manomana ny ho aviny, manatsara ny fifandraisana eo amin'izy samy izy na dia tsy mitovy fisainana aza."
[img]http://malagasy.it/photos/scoutmadagascar.jpg[/img]