You are here

Fanambarana ampahibemaso ny maha-Olontsambatra an'i Ramose Lucien Botovasoa : 15 aprily 2018

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 07/03/2018 - 11:52

 

Araka ny vaovao efa natsidiky ny takelaka sy tambazotra sosialy maromaro efa am-bolana vitsivitsy izay dia ny alahady 15 aprily 2018 no hatao any Vohipeno, Diosezin'i Farafangana ny fanambarana ampahibemaso ny maha-Olontsambatra an'i Ramose Lucien Botovasoa.

Nandalo teto Roma ary nisaotra an'Andriamanitra niaraka tamin'ny Papa Ray Masina noho izany fahasoavana izany i Mgr Benjamin Ramaroson, arsevekan'Antsiranana, ny talata 27 febroary teo, ary nahafinaritra fa mbola tafahaona tamin'ny kristianina vitsivitsy tratr'antso teto Roma ihany koa izy ny takarivan'ny alarobia 28 febroary tao amin'ny efitrano fandraisantsika vahiny, ny Sala Pozzo etsy amin'ny via Sant'Ignazio.

Efa miomankomana fatratra ny faritra atsimo-atsinanana, indrindra fa vao nahazo eveka vaovao satria i Mgr Gaetano Di Pierro, evekan'i Moramanga teo aloha, no notendren'i Papa François tamin'ny 3 martsa 2018 teo hiadidy ny diosezin'i Farafangana.

Fiomanana ara-panahy indrindra indrindra, miezaka miaina ireo "Hatsaram-panahy" niainan-dramose dia ny Finoana, Fanantenana, Fitiavana,  Fahamarinana, Fahamalinana, Fahononana, Faherezana. Olon'ny Fihavanana, tia ny zavaboahary ary nizara Hafaliana hatrany izy.

Efa misy ny pejy natokan'ireo mpikarakara hahafahana manaraka tsy tapaka ny fanomanana sy ny fandaharam-potoana rehetra amin'izany : Olontsambatra Ramose Lucien Botovasoa

Hira faneva :