You are here

Misaotra tamin'ny fiarahana nankalaza ny Festa dei Popoli

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 20/05/2013 - 09:04

DSCN9823

 

Manolotra fisaorana feno anareo rehetra tsy ankanavaka tonga nanome
voninahitra an'i Madagasikara teny amin'ny kianjan'i San Giovanni omaly
alahady 19 mey nandritra ny Festa dei Popoli 2013.

Misaotra ny Ankohonana notarihin'i zoky aumônier izay nanotrona
hatramin'ny farany mihitsy. Misaotra anareo rehetra nirehareha sy
nanamafy ary mampahafantatra ny hafa fa misy tokoa ny Malagasy eto
Italia na dia vitsy an'isa aza.

Dia manome fotoana antsika indray amin'ny "Giornate del Madagascar
2013" izay hatao ny 21 sy 22 jiona eny amin'ny Giardino botanico, villa
Borghese, Roma. Homena antsika eto amin'ny vohikala ihany ny
antsipirian'ny hetsika atsy ho atsy.

Mankasitraka, mankatelina fa nahafaly anay ny nahita anareo rehetra nanome voninahitra ny tranohevantsika.

 

Andry sy Rondro ary Hery.

DSCN9721

 

Ny sary rehetra dia efa ATO avokoa. Raha misy manana sary nandritra ny lamesa azo zaraina dia
isaoranay sahady satria tsy afaka nanatrika izahay tao ambany tranoheva
tao. Ito ambany ito kosa ireo laharana nahazo tamin'ny tombolà ka jereo ihany ny tapakila any aminareo any sao nitsikian'ny vintana.

 

 

lotterie