You are here

Fisaorana avy amin'ny fianakaviana Ravelomanantsoa

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 04/02/2013 - 18:06

IMG_3736

 

Dada Edmond Ravelomanantsoa miaraka amin'ireo zanany aman-jafiny : Edmée, Jean Hervé sy Voahangy sy ireo zanany, Rick Dieudonné sy Mireille sy ny zanany, Josette sy Brice, Mamy sy Holy sy ireo zanany, ny fianakaviana manontolo eto Roma sy aty ampitan-dranomasina ary any Madagasikara, dia niangavy anay hampita ny fisaorana feno fankatelemana aminareo rehetra tonga nanotrona, nampahery, nampionona sy niara-nizaka fahoriana tamin'izy ireo tamin'ny nahalasanan'i mama Clémentine tamin'ny zoma 1 febroary teo.

Misaotra anareo tsisy ankavanaka, hono tompoko, havana tsy naha-lavi-tany fa tonga nasesim-pitiavana lehibe, ianareo rehetra mpiara-mponina eto Roma :  ianareo Raiamandreny mpiahy ny teratany malagasy sy ianareo Zoky am-panahy, ianareo mpiara-miasa, mpiray fikambanana, mpiray fiangonana, tapaka sy namana na avy eto Roma na avy any amin'ny faritany tonga nidodododo fa tsy namela azy ireo ho irery amin'izao ora manjombona izao. Tsy nahalala hasasarana, nahafoy fotoana, nahafoy vola aman-karena tokoa hono ianareo ka sitraka enti-matory izao. 

IMG_3728Mankasitraka ihany koa, hono, anareo voatana tamin'ny asa aman-draharaha samihafa, na ianareo lavitra na ianareo akaiky naniry mafy ny hiondrika teo anoloan'ny nofo mangatsiakan'i mama Clémentine sy hanao veloma farany azy, saingy noho ny antony samihafa dia tsy mba nahaefa izany, kanefa dia naneho ny firaisamponareo tamin'ny fianakaviana tamin'ny antso sy hafatra rehetra nalefanareo. Tsy misy tsiny, hono tompoko, fa ny fitiavana nasehonareo dia nanome hery lehibe ho an'ny fianakaviana.

Misaotra indrindra, hono tompoko, fa nasandratrareo ambony tokoa ny Fihavanana Malagasy ary  nasehonareo tamin'ny rehetra vitanareo tamin'izy mianakavy izany. Tsara levenana tokoa ny maty ary tena henin-kaja sy henim-boninahitra ny velona. Raha izay Fitiavana lehibe nasehonareo izay, hono, dia tsy ho voavalin'izy mianakavy mihitsy akory, fa ao ilay Andriamanitra Lehibe hamaly avo zato heny ireny rehetra ireny.

Dia miala tsiny, hono izy ireo tompoko, raha nampitondra teny anay eo am-pampitana izao fisaorana mitafotafo izao ho anareo rehetra naneho fiaraha-miory tamin'izy ireo fa mbola feno loatra ny fo ary mbola maro koa ny adidy izay mbola sahanin'izy ireo.

Mankasitraka eram-po, mankatelina tanteraka, hono tompoko.

Noraketina an-tsary tato ny fotoana: http://www.malagasy.it/tahirintsary/fanaovam-beloma-farany-ani-mama-clmentine