You are here

Festa dei Popoli 2014 eto Roma

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 09/05/2014 - 17:27

Hatao etsy amin'ny Piazza di San Giovani in Laterano amin'ny alahady 18 mey ho avy izao indray izany ny andiany faha-23 amin'ny Festa dei Popoli. 

Efa an-taona maromaro no nandraisan'i Madagasikara anjara tamin'izy ity, ary mbola tsy diso anjara ihany isika amin'ity indray mitoraka ity ka manasa antsika rehetra hifamotoana eny toy ny mahazatra manomboka amin'ny lamesa amin'ny 12 ora antoandro ao amin'ny bazilikan'i San Giovanni ka ny anjara litorjiantsika malagasy amin'ity taona ity dia ny ranombavaky ny mpino amin'ny tenintsika.

Miandry antsika ao amin'ny tranohevan'i Madagasikara ary ny Ankohonana katolika Victoire Rasoamanarivo izay nandray ny andraikitra amin'ity taona ity rehefa avy nanao izany ny Fikambanana Tetezana onlus tamin'ny taona 2012 ary ny mpikarakara ny vohikala Malagasy eto Italia tamin'ny 2013 ary hanentanana ny isan-tsokajiny amin'ireo taona manaraka satria antsika Malagasy iray manontolo izy io na dia ny Ankohonana katolika aza no misahana azy mivantana noho izy ity hetsika karakarain'ny Misionera Scalabriniani sy  ny Diosezin'i Roma izay miahy ihany koa ny paroasy katolikan'ireo hafa firenena monina eto.

Ny isan'ny nahafaly amin'ity taona ity koa dia ny fiverenantsika eny ambony lampihazo rehefa somary nandao sehatra isika teo alohaloha teo. Misaotra sahady ireo tanoran'ny Fikambanana "Fraternità Malgascia" hitondra avo ny vakoka malagasy.

Koa manentana ny rehetra ho tonga marobe fa andro fihaonana sy hiarahana mifaly ary hanehoantsika ny mahamalagasy antsika io. 

Ampatsiahivina fa afaka mitondra sakafo izay te hifampizara izany, afaka mividy sakafon'ireo firenena hafa ihany koa izay mirary tokoa ny vidiny.