Tu sei qui

Fanaovam-beloma farany an'i Fidèle.

Inviato da Rondro il Sab, 10/12/2016 - 18:51

 

 

Na anatin'ny alahelo tokoa aza isika ankehitriny, dia fenofeno ny fo ka tsy hay ny tsy hitsiky, hisaotra, hankasitraka, hankatelina anareo tamin'ny fidododoanareo omaly alakamisy 8 desambra, naneho fa mbola sarobidy ny fihavanana. Tonga ianareo tsy nitandro hasasarana, nanombina ny fotoananareo, nahafoy harena ihany koa fa mahatsiaro ho manana adidy amin'ny fiarahamonintsika.

Sitraka enti-matory hono tompoko, hoy Tsiory zanany sy ny fianakaviana manontolo any Madagasikara, fa tsy navelanareo ho irery izy ireo ary tsy navelanareo ho very tatý an-tanin'olona tatý i Fidèle. Navalinareo azy ny fitiavana sesehena nafafiny nandritra ny 25 taona teo ho eo niainany teto Roma sy Italia, ary ireo tsy nahalala azy dia tsy nisalasala tonga  noho ny fahatsapana fa tanan-kavia sy havanana tokoa isika ka izay didi-maharary.

Mino isika fa velon-tsiky sy velom-pisaorana i bebe Jeanine reniny eny amin'ny tontolo tsy hita maso eny, mahita izao ataonareo ny zanany izao. Dia ho ny soa indray no hifanodiavantsika tompoko.

____________

Ny Tahirintsary dia misy anankiroa :
7 sy 8 desambra : teny aminy hopitaly tamin'ny fotoana nikimpian'ny masony ny 7 desambra, niara-nidinika ny amin'ny adidy miandry antsika. Ary 8 desambra, nandritra fotoam-pivavahana ho fialan-tsasatry ny fanahiny tao amin'ny fiangonana protestanta sady nitondrantsika izay mba efantsika tsirairay avy amin'ny adidy farany aminy.

10 desambra : fiondrehana farany teo anoloan'ny vatany mangatsiaka sy fanaterana azy teny amin'ny fasana ilevanany eny Prima Porta.