Tu sei qui

Fialam-boly

Maro ireo karazana fialamboly mety hiarahanao amin'ny Malagasy hafa eto Italie. Ho an'ny eto Roma manokana dia misy ny fanatanjahan-tena toy ny baolina kitra izay hiharahan'ny tanora isankerinadro eo, ao ny mifampiantso hilalao karatra sy hilalao ping-pong, ny fiaraha-mitsangatsangana eny amoron-drano, ary ny fandihizana sns...

 Izany rehetra izany dia mandeha miandalana eny araky ny toetr'andro sy ny fotoana mampahalalaka ny maro.

Fitsidihana musées

Ny musées rehetra ao Roma dia azo tsidihana maimaimpoana isaky ny alahady voalohan'ny volana. Filaharam-be no ho hitanao ao ka mila tonga maraina ihany. Ho hitanao manaraka eto ny musées vitsivitsy azo tsidihana sy ny fombafomba amin'izany.

Musei Vaticani,
Tel 0669883333
Alatsinainy- Zoma 8.45 / 15.20 fidirana farany
Sabotsy 8.45 / 12.20 fidirana farany

azo tsidihana maimaimpoana isaky ny alahady faran'ny volana, ny ora @ izany dia mitovy ny Sabotsy

Prefettura Vaticano fakana ny fanasana @ fanatrehana ny "udienze del Papa"
Fax 06 69885863 NB:
mila fitafiana maontina ny fidirana ao raha tsy izay tsy tafiditra